TETIKASA VPL SPAA10 2019-2023
“Fiarahamonin’ny ankohonan’Andriamanitra SPAA10”
“Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony ianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin‘ny olona masina, sady ankohonan’Andriamanitra” Efesiana 2:19
KOMITY « FANDRAHARAHANA SY TEKNIKA »
« Ary izay zavatra efa renareo tamiko teo anatrehan’ny vavolombelona maro dia atolory ny olona mahatoky izay hahay mampianatra ny sasany kosa » II TIM 2:2
Vita izay ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny FJKM. Miditra amin’ny faha-50 taona faharoa isika amin’ity taona 2019 ity ary ao anatin’izany indrindra no ivohantsika Laika ny tany efitra nandritry ny 40 taona. Isika VPL eto Antananarivo Andrefana dia miomana fatratra ny hiatrika ny faha-50 taona nijoroana eto anivon’ny FJKM.
Hanao ahoana isika amin’izany fotoana izany ?
Maro ny O.L.A.N.A. misy tsy maintsy atrehintsika ka fehezina amin’ny hoe : Osa ny Laika Amin’ny Nanaovana Antselika ny Asan’Andriamanitra. Mila antsika LAOS : LAika Olona Sahy ny SPAA10 mba ahazoantsika manaraka ny tenin’ny Soratra Masina hoe : « /nona no ataonareo mihoatra nohon’ny sasany ? » Matio 5:47b.
Manana Vina isika LAIKA SPAA10 : MIJORO HO FANILO FANORENANA NY FIARAHAMONIN’NY ANKOHONAN’ANDRIAMANITRA (FANOHIZANA NY ILO-MIAMPITA). Tsy ankohonan’izao tontolo izao isika (citoyens du monde) fa Olona miaraka sy ao amin’i Jesoa Kristy manana VATANA (Tomady-salama) sy SAINA (mahiratra, manana fahalalana, matihanina amin‘izay atao) sy FANAHY matahotra sy mahatoky ary mino an’Andriamanitra Ray Zanaka Fanahy Masina (mahitsy fo, tsy tia kolikoly, madio tanana, hendry, mahatandrina sy manaja ny ankohonany). VATO VELONA SY TRANO FANAHY ARY JIRO MANAZAVA SY SIRA HO AN’NY FIANGONANA ARY NY FIRENENA.
Ny tanjona ankapobeny kendrentsika dia araka ny Soratra Masina manao hoe :
« Fa izaho kosa haneho aminao ny finoako amin’ny asako » Jak 2:18b
VPLSPAA10 SAHY MIASA MAHARITRA ARY MAHAZO VOKATRA HO VAVOLOMBELON’NY FILAZANTSARA.
Tondrozotra telo lehibe no ifaharan’io tanjona akapobeny io dia :
«aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika » II Tim:1-8a, II Kor 12:4-5-6.
MANANA ANJARA SY ANDRAIKITRA NY REHETRA ETO VPL SPAA10 (Birao VPL, MD VPL – KL VPL – Filoha VFL – BRVFL), MANARAKA NY RAFITRA PRESBYTERIANA SYNODALY.
« Aza tsy mitandrina ny fanomezampahasoavana ao anatinao » I Tim 4:14
HO VOATRANDRAKA IREO LOHARANO-KARENA SY KOTRIKERY AVY AMIN’ ANDRIAMANITRA HAMPANDROSOANA NY SPAA10.
« Ary izay zavatra efa renareo tamiko teo anatrehan’ny vavolombelona maro dia atolory ny olona mahatoky, izay ahay mampianatra ny sasany kosa » II Tim 2:2
HO VOAHOMANA NY VPL SPAA10 HANOHY NY ASA.
Mba hanampy ny birao dia najoro ny KOMITY TEKNIKA sy ny KOMITY FANDRAHARANA izay ireo MD nozaraina roa sy ireo KL iray avy isam-pitandremana no mandrafitra azy miampy ireo kotrikery. Natomboka ny fanofanana azy ireo mba ho fampiorenana tarika. Efa nisy ihany koa ny tetibola tetezamita 2019 ka misongadina amin’izany ny fandraisana adidy ataon’ny birao VPL sy ireo MD ary ireo Filohan’ny VFL ary ny VFL araka ny sokajiny avy. Ny taona 2020 dia efa vita ny tetikandro ary voafaritra ireo adidy eo anivon’ny SP ka anisan’izany ny fitsipika anatiny sy ny ivotoeran’ny SP ary ny fitrandrahana loharanokarena iray andrenivohitra ary iray any amin’ny faritra andrefana. Misy ihany koa ny fivoriambe hanaovana jeritodika sy jerilanja.
Mahereza sy mahatanjaha ary isika rehetra ato amin’ny VondromParitany Laika eto ANTANANARIVO ANDREFANA. Ny anaran’l Jesoa Kristy no ahazoantsika antoka fa manana valimbavaka isika na dia malemy aza.
Ny Filoha, ny Birao, ny MD, ireo KL.